Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2003 Febroary 2003 Marsa 2003 Aprily 2003 May 2003 Jona 2003 Jolay 2003 Aogositra 2003 Septambra 2003 Oktobra 2003 Novambra 2003 Desambra 2003

 

Vaovao DESAMBRA 2003


 
 

1) Ny 7 desambra dia nanao fampisehona "gala évangélique" tao amin'ny fiangonana Servette (Genève) ny antokompihira Valihan'i Jehovah, izay nandraisan'i Rija Rasolondraibe ary ny antokompihira avy amin'ny FPMA Amiens anjara. Tonga lafatra ny zava-bitany (hira , fandikana ny texte-n'ny hira amin'ny teny frantsay, chorégraphie) ary hisaoran'azy ireo manokana.

2) Ny Noely dia niantomboka tamin'ny fiara-misakafo (repas canadien) tao amin'ny Paroisse de Servette ihany ary nitohy tamin'ny fotoam-pivavahana (hisoarana manokana Augustin sy Isabelle nampianatra ireo hira katolika) ary niafara tamin'ny fetimpianakaviana izay nandraisan'ny rehetra anjara. Dia miarahaba anao mpamaky tratrin'ny Krismasy ary mirary sahady taona vaovao feno  fahombiazana sy fitahiana avy amin'ny Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany ho anao .

3) Ny fotoana manaraka dia ny 4 janoary izay hanavaozana koa ny komity.