Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2003 Febroary 2003 Marsa 2003 Aprily 2003 May 2003 Jona 2003 Jolay 2003 Aogositra 2003 Septambra 2003 Oktobra 2003 Novambra 2003 Desambra 2003

 

Vaovao APRILY 2003


 
 

1) Misaotra an'i Andriamatoa Rakotolehibe Mamy tamin' ny hafatra izay nozarainy tamintsika, ny fitarihana ny fotoam-pivavahana dia notontosain'i Atoa  Razaname Alain, izay niarahany natao niaraka tamin'i Pasitora Zafindriaka Arintsoa.

2) Tonga namamgy antsika koa i Pasitora Etienne Roulet. Marihina fa izy no solotena nalafan'ny fiangonana any Lausanne mba hidinidinika momba ny fiainan'ny "fiangonana atao amin'ny teny hafa ankoatrin'ny teny frantsay" ao @ canton de Vaud.

3) Fankalazana ny fetim-pirenena malagasy (26 Jiona 2003) izay hatao ny 21 Jiona any Genève: ny anjaran'ny fiangonana @ iizany dia misy stand iray hatokana ho azy. Rehefa avy nivory ny komity dia tapaka fa ny tantaran'ny fiangonana FKMSM no hatao ao. Misy fanangonana ny sary rehetra mirakitra ny fiainam-piangonana, raha any Lausanne ianao dia manorata any @ i Atoa Razaname Alain. Izany ezaka izany dia hatao mba hahafahana manamboatra Poster mitantara ny fiainam-piangonana.

4) Amin'ny Alahady voalohan'ny volana Jiona (02/06/2003) dia manomboka amin'ny 2 ora tsy diso ny fiangonana any Genève noho ny fampianarana famakiana ny Baiboly izay hataon'i Atoa Claude Robel. Entanina ny tsirairay mba ho tonga @ izany fotoana izany.

5) Misy fivorian'ny Sampana vehivavy Fanasina ao aorian'ny culte (rehefa vita ny fiarahana misakafo ao @ efitra natokana @ izany).

6) Ho hitanareo eo am-pivoahana ny dépliant fanampiana ny zaza kamboty any Madagasikara, hisy fisakafoanana homanina @ 9 aprily mba hahafahana manangom-bola @ izany.

7) Ampatsiahivina fa misy fiangonana @ Paska 20 Aprily any Genève (ao amin'ny toerana mahazatra) manomboka @ telo ora tsy diso.

8) Isakin'ny Alahady tolakandro dia misy "Cellule de Prière" omanin'ny fiangonana. Ny sampana finoana no mikarakara izany. Ny fotoana manaraka dia @ 13 Aprily 2003 izao. Iangaviana ianareo mba hanoratra any @ Atoa Randrianarijaona Ambinintsoa mba hahalalanareo ny momba ny toerana, ny tokan-trano mandray sy ny mpitarika ny fotoana. Raisina an-tanandroa ny tokan-trano izany te handray ny "Cellule de prière". Ny mpampiantrano dia tsy voatery hitarika akory! Ka aza matahotra na misalasala raha maniry handray izany fotoana izany ianao.

9) Ny rakitra tamin'ny fiangonana farany teo tamin'ny 2 Marsa 2003 tany Genève dia nahatratra 119.10 CHF sy 5.20 euros.

10) Natao tao aorinan'ny filazan-draharaha ny famangiana an'i Liva T. mianakavy.

 

Remonter Janoary 2003 Febroary 2003 Marsa 2003 Aprily 2003 May 2003 Jona 2003 Jolay 2003 Aogositra 2003 Septambra 2003 Oktobra 2003 Novambra 2003 Desambra 2003