Vaovao MARSA 2003
1) Misaotra anao Pasitora Maholy Johanesa tamin' ny hafatra izay nozarainao, manantena fiaraha-miasa mandritra ny fotoana andalovanao aty Soisy.
2) Ny "cellule de prière" izay efa nokasaina hatramin'ny ela dia ho ezahina hatomboka amin'ny Alahady 9 mars 2003 amin' ny 3 ora any Genève. Aza misalasala manoratra amin'ny tompon'andraikitra mba hahalalanao ny toerana hizoran'izany fotoam-pivavahana izany.
3) Misy Fiangonana Loterana rahavavy izay vao nisokatra ao Grenoble.Manasa antska izay afaka ry zareo hanotrona sy hitondra am-bavaka azyireo.Alahady faha-telon'ny volana no ivavahan' izy ireo. Ny fotoana manaraka dia amin'ny 30 martsa 2003, hisy asa sy fampaherezana amin'ny fotoana fanokanana amin'ny 27 aprily 2003 ho avy izao.
4) Fotoana Ekiomenika amin'ny Paska 2003 dia mbola iarahana manomana amin'ny fiangonana rahavavy isany.
5) Misy fianarana Soratra Masina amin'ny Alahady01 Jona 2003 amin'ny 2 ora any Genève(alohan'ny fotoam-pivavahana), izay hataon'i Coco Robel,namantsika ao Collonges. Fianarana teknika momba ny famakiana baiboly no hatao. Manasa antsika rehetra amin'izany.
6) Ny sampana Sekoly Alahady dia manentana ny havanana aman-tsakaiza amin' ny fampitana ny fahalalana an' Andriamanitraamin'ny ankizy. Iangaviana izay terem-panahy mba hanantona an'i Felana, izaymitady olona hisolo an'i Vero izay lasa any Canada.
7) Nahazo fanasanaisika hohanohana projet any Villerets (akaikin'ny Neutchatel) amin'ny 26 avrily 2003 izay te hanotrona ny tanorantsika amin'io fotoana io dia afaka manoratra amin' ny tompon'andraikitra ahafahana mandrindra ny fiara.
8) Vaovao
avy amin'ny sampana:
novana Asabotsy hariva amin'ny7
orany
fivoran'ny Valihan'i
Jehovah. Misokatra
ho an' ny rehetra tsy
ankanavaka ny fidirana ho anisan'ny antoko mpihira ka dia miandry anareo
ao amin'ny:
|
Avenue Wendt, 55 1203 Genève. |
9) Ity misy Projet: "Centre Tsinjo" fitaizana zaza kamboty izay mbola haorina. Efa nahavory 40.000.- CHF nividianana tany ny mpikarakara ka mikasa ny hanorina trano. Hanao fiaraha-misakafo ry zareo amin'ny Zoma 04 Aprily 2003 manomboka amin'ny 7ora hariva any Lausanne(50Sfr isan’olona). Ampandrenesina ny tsirairay fa izay tsy afaka kanefa te-hanampy dia afaka manao "don".Afaka manantona ny tompon'andraikitra isika izay intéréssé amin' izany.
10) Misy fangatahana voaray, fanampiana voaray avy amin'ny Fiangonana FJKM Antoby Fitahiana, Synodam-paritany Mananara Firaisana ; Fivondronana ANJOZOROBE. Marihina fa ny projet rehetra voaray alohan'ny faran'ny volana aprily ihany no hodinihan'ny komitim-piangonana amin'ity taona ity (satria volana mai no mandray tapa-kevitra.). Ny fangatahana azo aorian'izany fotoana izany dia horesahina miaraka amin'ireo projet 2004.
11) Nandefa solotena isika androany any amin'ny fiaraha-mivavaka nomanin'ny Fiangonana rahavavy FJKM-Suisse tao amin'nyeglise reformé de Genève noho ny fandalovan'ny filohan'ny Senat Malagasy aty Soisy. Noho ny fifanindrian'ny fotoam-pivavahana (voalohan'ny volana amin'ny telo ora) dia ny Filoha sy ny Mpitam-bola no nanaiky an-tsitrapo hanatrika izany fotoana izany.