Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

Remonter Janoary 2003 Febroary 2003 Marsa 2003 Aprily 2003 May 2003 Jona 2003 Jolay 2003 Aogositra 2003 Septambra 2003 Oktobra 2003 Novambra 2003 Desambra 2003

 

Vaovao FEBROARY 2003


1) Misaotra an'i Abbé Amédée Nendaz nanaiky hitondra ny tenin'Andriamanitra sy hapandray.

2) I Tahiana Rasolondraibe no lasa filohan'ny VJ, nanolo an'i Vero Andriaharifara.

3) Mpiara-mivavaka roa no nahavita ny fianarany ka ny voalohany dia Honitriniela izay nahazo ny titre "Docteur es-science  mention informatique" (Nov. 2002) ary ny faharoa dia Liva T. "Dr en relations internationales" (Jan. 2003).

4) Atoa Henri Robel dia hamelabelatra ny tekinika famakiana ny baiboly amin'ny alahady voalohan'ny volana jona, any Genève, Paroisse de la Servette, amin'ny roa ka hatramin'ny telo ora tolakandro. Natao alohan'ny fanompo-pivavahana izany mba hanentanana ny mpiangona reheetra. Tsy miankina amin'ny antoko-pinoana izany famelabelarana izany.

5) Ny vaomiera mpandinika ny finoana ao amin'ny FKMSM dia nahatsikaritra fa tsy ampy ilay fivavahana indray isam-bolana ankaotran'ny fotoana hafa ataon'ireo fiangonana rahavavy. Soson-kevitra roa no narosony mba hampitombo ny sakafo-panahin'ny tsirairay:
    a) Cellule de prière: Atao any an-tokatranon'izay maniry izany.
    b) Fiarahana mivavaka ny Alahady hafa, hitaomana ny Tsirairay, ohatra ao Ecublens, na ao Servette na hafa koa.